Ny zozoro dia zavamaniry ao amin' ny fianakavian' ny Cyperaceae, maniry an-drano ary matetika avy amin' ny faritra manodidina ny zana-pehin-tany na amin' ny faritra manana toetany antonony. Cyperus no narany ara-tsiansa. Misy karazany 400 na 700 any ho any izy, ka ny ankamaroany dia maniry amin' ny toerana be honahona. Anisan' ny zozoro ny papiry na papirosy izay malaza ho fanaovan' ny Egiptiana taratasy fanoratana.